You are here: home> Fanoroana> Resaka manokana (pv)

Resaka manokana (pv)

Afaka miresaka manokana (manao pv) amin'ireo namana tafiditra ato amin'ny karajia #serasera ihany koa ianao. Amin'izay fotoana izay dia tsy ho hitan'ny olona eo amin'ny tokotanibe ny zavatra resahinao.
Mba hahafahana miresaka manoka amin'ny namana iray dia tsindrio indroa ny solonanarany ery amin'ny lisitra. (cliquer deux fois). Hisy varavarankely iray hisokatra avy eo izay natokana ho anareo roa irery.
Azonao atao koa anefa ny manoratra toa izao eo amin'ny tokotanibe (public)

/msg solonanarana hafatra

Ka ny solonanarana dia ny solonanaran'ilay namana tianao hiresahana manokana ary ny hafatra dia ny hafatra tianao halefa aminy manokana.
Marihana fa azon'ny namana atao ny mandà ny resaka manokana ataonao aminy, ary tsy idiran'ny tompon'andraikitra ny momba izany