You are here: home> News
You are here: home> News

Raha te hanafina host

Submitted by: hery
On: 14/03/2012

Mandritra ny 1 volana dia andramana hoe afaka manova host ny tsirairay. Izany hoe manana vhost (virtual host). Mba hahafahana manova io host io dia mila voatahiry ny solonanarana, avy eo manao fangatahana amin'ny HostService.

1. Raha mbola tsy voatahiry ny pseudo (na nick na solonanarana) dia Jereo eto ny fomba fanaovana azy. 

2. Rahha efa voatahiry ny solonanarana (manana tenimiafina) dia soraty fotsiny hoe:

 

  • /msg HOSTSERV REQUEST host.angatahanao
    Ka soloy izay host angatahanao ilay hoe host.angatahanao (jereo eto ambany ny atao hoe host) 
  • Rehefa nekena ny fangatahanao dia miova ho azy an'io ny host-nao rehefa mampiditra tenimiafina ianao (ohatra webchat@host.angatahanao)

Inona moa no antsoina hoe Host?

Ny olona tsirairay dia eto amin'ny karajia dia samy mitondra ilay antsoina hoe "Mask" hamantarana azy. Toa izao ny firindran'io "mask" io.

  • Nick (na pseudo) : andrana  
  • User (na username) : ~webchat
  • host : karajia-548875.telecomitalia.it 
Io farany miloko maitso io izany no antsoina hoe host izay azonao angatahana ovaina.

Fitsipika manova host

 

  • Ny vhost ekena dia:
    - Tsy miafara amin'ny litera roa milaza anarana firenena
    - Tsy misy teny ratsy na teny malagasy na teny vahiny
    - Tsy misy endrika fanompana na fanimbazimbana
  • Ny vhost angatahina rehetra dia tsy voatery ho ekena
  • Ny vhost dia miara-maty amin'ny pseudo raha toa ka tsy ampiasaina
  • Litera a-z sy marika 0-9 ary '-' ihany no tokony ho hita amin'ny vhost
  • ...

Ohatra vitsivitsy

Ohatra vitsivitsy azonao ampiasaina.

 

  • ohatra: toerana.tena.milay
    code fangatahana: /msg hostserv request toerana.tena.milay 
  • ohatra: aza.mitsikilokilo.rangaha
    code fangatahana: /msg hostserv request aza.mitsikilokilo.rangaha 

 

Andrana ihany moa izao fampiasana virtual host izao, raha hita fa mampikorontana afaka iray volana dia ajanona.

Hery

 

 

Add a comment