Commande Mode
Ny commande /mode angamba no tena ampiasaintsika betsaka indrindra. Koa ireto ny paramètres miaraka amin'ny commande mode
Ireto ohatra ny mode mahazatra
Ny fomba hampiasana azy dia
/mode chan mode ps
ohatra
/mode #serasera +b koto
1. Mampiditra ban
/mode #serasera +b koto
Io dia mi-ban ny pseudo koto fotsiny ao amin'ny canal #serasera. Io dia tsy mitovy amin'ny !kb koto izay mi-ban ny ip an'i koto
2. Manala ban
/mode #serasera -b koto
Mazava fa rehefa atao - no eo alohan'ilay parametre-n'ny mode dia manala izy izay. Io izany dia manala ny ban-n'i koto
3. Exception
/mode #serasera +e rabe
Io dia manome alalana an'i rabe hiditra ao amin'ny #serasera na dia banni aza ny ip-ny. Ohatra hoe nitovy ip izy sy i koto ka banni tamin'ny !kb ny ip-n'i koto. I rabe kosa rehefa atao an'io mode io dia tafiditra foana.
4. Manala exception
/mode #serasera -e rabe
Rehefa tiana hitovy amin'ny rehetra amin'izay i rabe dia esorina ny exception.
Mbola misy hafa koa fa mety tsy mahaliana loatra