Ban : fomba atao
Ny ban dia misakana ny olona iray na maromaro tsy hampiasa efitra iray. Eo amin'ny efitra ihany no miasa ny ban izay atao. Izany hoe mbola afaka miresaka manokana ny olona iray tratran'ny ban.
Misy fomba vitsivitsy azon'ny op eo amin'ny canal iray atao rehefa hi-ban.
Ao anaty efitra ilay olona hasiana ban
Raha toa ka ao anaty efitra ilay olona, ka misy robot botserv eo (ohatra Oceane, TanDapa etc), dia ny fomba tsotra indrindra dia ny !kb pseudo
Io fomba io dia misakana ny ordinateran'ilay olona (na ip) tsy hotafiditra ao amin'ny efitra intsony.
Raha tsy ao anaty efitra ilay olona hasiana ban
Raha toa tsy ao anaty efitra ilay olona asiana ban dia mila mampiasa ny commande /mode +b pseudo na koa /mode +b mask
Raha manao /mode #serasera +b kalangita ohatra dia tsy tafiditra intsony i kalangita, saingy raha miova solonanarana izy dia tafiditra
Ban amin'ny alalan'ny mask
Ny olona iray miditra ao anaty karajia dia fantatry ny lohamilina amin'ny alalan'ny antsoina hoe mask (na koa user mask) izay fitambaran'ny nickname (ilay antsointsika hoe pseudo), ny username ary ny host.
Ny hahitana an'ireo dia amin'ny alalan'ny /whois pseudo na koa /whowas pseudo
Ohatra raha manao hoe /whois andrana dia miseho ny mask toa izao:
andrana!~webchat@karajia-548875.telecomitalia.it
eto dia:
- Nick (na pseudo) : andrana
- User (na username) : ~webchat
- host : karajia-548875.telecomitalia.it
Raha te hi-ban an'i andrana amin'io mask entiny io aho izany dia azoko atao hoe
/mode #serasera +b andrana!~webchat@karajia-548875.telecomitalia.it
io dia misakana an'i andrana isaky ny mitondra io mask io izy... ary isaky ny mitondra io mask io IHANY.
Raha vao miova mask i andrana dia tsy voasakan'io commande io. Ohatra raha mampiasa lightIRC izy dia lasa hoe
andrana!~lightIRC@karajia-548875.telecomitalia.it
nanjary niova ilay user lasa hoe ~lightIRC ka tsy voasakana intsony izy.
Dia eto indrindra no miditra ny atao hoe wildcard na caractère joker * (asterisque). Ny wildcard * amin'ny maha caractère joker azy dia afaka misolo litera maromaro. Izany hoe raha te hisakana an'ireto ambany ireto aho:
andrana!~lightIRC@karajia-548875.telecomitalia.it
andrana!~webchat@karajia-548875.telecomitalia.it
andrana!~kVIRC@karajia-548875.telecomitalia.it
andrana!~andrana@karajia-548875.telecomitalia.it
dia ampiasaina ny wildcard *
/mode #serasera +b andrana!*@karajia-548875.telecomitalia.it
Ilay * izany eto dia misolo ireo teny mety miovaova. Izany hoe azo adika hoe na inona na inona.
- Raha hisakana ny pseudo andrana ianao na inona na inona user ampiasainy dia
/mode #serasera +b andrana!*@karajia-548875.telecomitalia.it - Raha hisakana ny pseudo andrana ianao na inona na inona host ampiasainy sy user ampiasainy dia
/mode #serasera +b andrana!*@* - Raha hisakana ny pseudo rehetra (na inona na inona) mampiasa host
karajia-548875.telecomitalia.it ianao dia
/mode #serasera +b *!*@karajia-548875.telecomitalia.it - Raha hisakana ny pseudo rehetra (na inona na inona) mampiasa telecomitalia.it rehetra ianao dia
/mode #serasera +b *!*@*.telecomitalia.it - Raha hisakana ny pseudo rehetra avy eto italia (.it) ianao dia
/mode #serasera +b *!*@*.it (Tandremo aza atao fa ohatra fotsiny) - Raha hisakana ny pseudo rehetra ianao na inona na inona host ampiasainy, izany hoe ny olona rehetra mihitsy dia
/mode #serasera +b *!*@* (Tandremo, tsy misy afaka miditra ao amin'ny efitra raha vao ataonao io)
Raha averina jerena izany ilay mask dia azo soloina * daholo ny iray na maro na apahany eo aminy.
Izay tiana hosakanana dia soloina *