You are here: home> Fitsipi-pifehezana> Fitsipi-pifehezana e...

Fitsipi-pifehezana efitra #serasera

Ny karajia #serasera dia toerana hiresahana amin'ny teny Malagasy.

Ireto fitsipika ireto dia fanamafisana fotsiny ihany ny fitsipika ankapobeny izay entina mandrindra ny karajia #serasera. Ny fitsipika ankapobeny moa dia hitanao ao amin'ny http://login.serasera.org/tos .

Ny fitsipika eto amin'ny karajia #serasera dia natao indrindra mba hampirindra ny fifandraisana eo amin'ny mpikarajia. Noho izany dia voarara avokoa ireo izay manohintohina izany fifandraisana izany.

Anarana tsy azo atao

  1. Ny anarana mampiseho "orientation sexuelle" (ohatra misy gay, bi, g, G sy izay tsy ho voatanisa eto).  Hisera no atao fa raha mitady zavatra hafa dia afaka miditra amin'ny resaka  manokana na amin'ireo efitra natokana ho amin'izany.
  2. Ny mampiasa solonanarana miteny mamofady na miteny ratsy na manambany olona na karazan'olona.
  3. Ny mampiasa solonanarana tsy hay vakiana, toy ny solonanarana feno famantarana fotsiny (^-^ na |-| sns )
  4. Ny anarana miantsy ady sy misy fandranitana na amin' olona iray na amin' ny vondron'olona
  5. Ny anarana manome eritreri-dratsy (ohatra:teny mamoa fady hampifamadihana na afohezina, na heviny ankolaka)
  6. Ny anarana miantomboka amin'ny namana_ (tokony ho soloina)
  7. Ny mampiasa solonanarana miteraka korontana eo amin'ny mpikarajia. Raha tsy mahita solonanarana dia mampiasà rakoto_1   rakoto_2 sns

Fitondran-tena

Ny serasera dia natao mba hifandraisana amin'ny teny malagasy tsy ankanavaka ka noho izany dia misy ireo fitsipika arahina mba hampizotra izany fifaneraserana izany.  Ny tsirairay dia tsy maintsy manaja ny hafa.

Voarara ka maha-voadaka (kick) avy hatrany

  1. Ny miteny ratsy eo antokotanibe na amin'ny fomba mivantana izany na amin'ny fomba ankolaka.
  2. Ny manompa olona, ny manambany na manamavo olona.
  3. Ny miantsy ady na mandrangidrangitra na olona iray na vondron' olona tsy mihato rehefa avy nampitandremina

Fahazahoana fampitandremana

Ny tanjon' ny #serasera dia mba hahafahan' ny rehetra miresaka an-kalalahana tsy misy teritery.  Mba hahafahana manatanteraka izany dia hisy ny fampitandremana ho an'ireto manaraka ireto:

  1. Ny manambany sy manamavo olona vokatry ny resaka mandeha
  2. Ny mandranitra olona na vondron'olona
  3. Ny miantsy ady noho resaka any ambadika
  4. Ny mampiasa solon' anarana tsy mifanaraka @ anarana azo atao (etsy ambony)
  5. Ny manao doka ho an' ny toerana hafa, raha misy doka tiana atao dia manantona ny mpiandraikitra (op) na mandehana ao amin'ny http://bizna.serasera.org/

Teny avy amin' ny Mpitantana

  1. Ny Serasera dia tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra miseho any amin'ny resaka manokana (pv)
  2. Tsy azo atao ny manome mombamomba manokana (information personelle) eo antokotanibe, raha misy antony tsy maintsy hanaovana an'izany dia ataovy an'efitra manokana (pv)
  3. Azonao atao ny manao fitarainana raha tsy afa-po tamin'ny firesahana tamin'ny mpandrindra ianao
  4. Raha efa nampitandremina in-3 ianao ka tsy manova ny zavatra nitenenana dia ho voasakana tsy ho tafiditra eo antokotanibe


Fivorian' ny Op 04/10/10

Nahitsy 18/10/10