Fitsipi-pifehezana efitra #motus
Araka fampidinihana natao dia nasiana fitsipika fohy ihany koa ny efitra #motus ho an'ireo izay milalao. Ka toa izao izany:
- Tsy azo atao ny milalao amin'ny solonanarana (pseudo) an'olon-kafa efa manana isa (score)
- Tsy azo atao ny mitondra solonanarana mamoafady
- Rarana ny miteny ratsy sy manalabaraka ny namana
- Voarara ihany koa ny mifanohana amin'ny resaka isa (score)
- Tsy voafetra ny fotoana hilalaovana. Afaka milalao amin'ny ora izay tiana sy mahafaka azy ny tsirairay
- Amporisihana ny tsirairay hi-enregistrer ny pseudo mba tsy hisy haka.