You are here: home> Fitsipi-pifehezana

Fitsipi-pifehezana

Ireto fitsipika ireto dia fanamafisana fotsiny ihany ny fitsipika ankapobeny izay entina mandrindra ny karajia #serasera. Ny fitsipika ankapobeny moa dia hitanao ao amin'ny http://login.serasera.org/tos .

Ny fitsipika eto amin'ny karajia #serasera dia natao indrindra mba hampirindra ny fifandraisana eo amin'ny mpikarajia. Noho izany dia voarara avokoa ireo izay manohintohina izany fifandraisana izany.

Tsy azo atao ka mety maha-voadaka (kick) avy hatrany

  1. Ny mampiasa solonanarana miteny mamofady na miteny ratsy na manambany olona na karazan'olona.
  2. Ny mampiasa solonanarana miteraka korontana eo amin'ny mpikarajia. Raha tsy mahita solonanarana dia mampiasà rakoto_1 rakoto_2 sns
  3. Ny mampiasa solonanarana tsy hay vakiana, toy ny solonanarana feno famantarana fotsiny (^-^ na |-| sns )
  4. Ny miteny ratsy eo antokotanibe. Ny manompa olona, ny manambany na manamavo olona.



  5. Mbola hitohy