Ny momba ny GROUP
Raha te hampiasa solonanarana maromaro ianao dia tsy voatery tehirizina (enregistrer-na) avokoa ny solonanarana rehetra fa afaka mampiasa ilay hoe GROUP izay atolotr'i NickServ.
Ny commande GROUP dia mampiditra ny solonanaranao ao anatin'ny solonanarana hafa izay efa anao ihany koa ry efa voatahiry. Amin'izay fotoana izay dia tsy voatery mitadidy tenimiafina hafa ianao fa ilay tenimiafin'ilay solonanarana voalohany ihany no ampiasaina amin'ny solonanarana hafa rehetra ao anaty GROUP.
Ny commande izay mampiditra solonanarana vaovao ao anatin'ny GROUP-n'ny solonanarana teo aloha dia
/msg NICKSERV GROUP solonanarana_taloha tenimiafina_taloha
Toa izao no atao.
Ohatra aho manana solonanarana voatahiry hoe hery
Raha te hampiasa solonanarana vaovao hoe eugene aho dia tsy voatery tehirizina koa io fa apetrako amin'ny GROUP hery
- Miditra ao amin'ny karajia aho dia mampiasa solonanarana hoe eugene
- ataoko ny commande
/msg NICKSERV GROUP hery tenimiafin_i_hery
Manomboka eto rehefa miditra amin'ny solonanarana eugene aho dia takian'i NICKSERV tenimiafina, dia ampidiriko ny tenimiafin'i hery
Ny tombony
- Tsy voatery mitahiry tenimiafina maro fa ilay tenimiafina voalohany ihany
- Na dia tsy ampiasaina maharitra aza ilay solonanarana voalohany dia tsy lany daty
Fanazavana fanampiny
Ny fanazavana lava momba ny GROUP dia hitanao amin'ny commande
/msg NICKSERV HELP group