You are here: home> Fanoroana> Hanokatra Efitra

Hanokatra Efitra

Eto amin'ny karajia dia azonao atao ny manokatra efitra (canal) manokana ho anao. Izany hoe tsy voatery hijanona ao amin'ny #serasera foana ianao

Alohan'ny hanokafanao efitra vaovao dia jereo aloha ny lisitry ny efitra efa misy sao dia mahaliana anao. Raha hijery ny lisitry ny efitra dia soraty fotsiny hoe:

/list

Raha te hanokatra efitra vaovao ianao dia soraty fotsiny hoe:

/join #anaran_ny_efitra

Raha mbola tsy nisy naka ilay efitra nosokafanao dia ianao no tompony sy mpandrindra (op) an'io efitra io. Azonao atao rehefa avy eo ny mitahiry io efitra io mba tsy hisy olona hafa haka. Ny fitehirizana ny efitra dia mampiasa ilay commande hoe:

/msg chanserv REGISTER canal motdepasse description

Ny commandes rehetra azo ampiasaina amin'i chanserv moa dia azo alaina ao amin'ny

/msg chanserv help

Marihina fa raha tsy misy olona mandritra ny 30 andro ny efitra iray dia voafafa ho azy.

Azonao atao amin'izay ny manasa olona hiditra ao amin'ilay efitra vaovao noforoninao.

Raha toa ka efa manomboka mahazoazo olona ianao dia azonao atao ny miantso Bot (Robot) hanao ny fitantanana madinidinika sasany.