You are here: home> Fanoroana> Fanontaniana manitik...

Fanontaniana manitikitika

Ireto indray ary ireo fanontaniana mateti-pitranga momba ny fampiasana ny Karajia na ny chat. Raha misy fanontaniana hafa dia azonareo apetraka eto ambany.

  1. Ahoana ny fomba fidirana ao amin'ny chat?
    Jereo ny http://karajia.org. Misy hoe Hiresaka mivantana dia ampiasao ny iray amin'ireo rohy lazainy ireo. Raha tsy tafiditra amin'ireo dia makà fitaovana iray ao amin'ilay hoe Ny fitaovana 
    Raha 
    toa ilaina dia ireto ny pitsopitsony mikasika ny lohamilina:
    • Host: irc.serasera.org
    • Port: 6667

  2. Ahoana ny fomba hahafantarako ny mombamomba ny namana iray?
    Misy fomba roa hahalalana ny momba ny namana iray fa ny tsotra indrindra dia /whois solonanarana

  3. Ahoana ny hiresahako amin'ny namana iray?
    Ny fomba mahazatra dia tsindrio indroa ny solonanaran'ny namana tianao hiresahana manokana. Raha toa ka tsy mety anefa izany dia azonao atao ny manoratra hoe 
    /msg solonanarana hafatra
    na
    /query solonanarana

  4. Ahoana no fomba hisakanana ny namana miresaka manokana amiko?
    Raha manadala anao amin'ny resaka manokana ny namana iray dia azonao atao ny misakana azy. Soraty hoe
    /silence +solonanarana
    Aza adino ilay +
    Raha toa ka esorina ny sakana dia soloy - ilay +. Izany hoe
    /silence -solonanarana
    Raha hijery ireo namana nosakananao dia soraty fotsiny ny hoe
    /silence

  5. Ahoana ny fanovana solonanarana?
    Amin'izao fotoana izao dia tsy afaka manova solonanarana raha efa ao amin'ny serasera. Ny fomba atao dia mivoaka kely aloha 
    /part #serasera
    dia manova solonanarana 
    /nick solonanarana_vaovao
    dia miverina indray 
    /join #serasera

  6. Miova ho AnonymeXXXX foana aho, nahoana? 
    Rehefa nisy nisoratra anarana mampiasa ny solonanarana nofidinao dia miova ho AnonymeXXXX ianao. Raha tianao tsy hiova ianao dia mampiasa solonanarana mbola tsisy tompony ao amin'ny #serasera.

  7. Dia hisoratra anarana aho izany dia ahoana? 
    Tsotra. Soraty fotsiny eo amin'ny chat hoe
    /msg NICKSERV REGISTER mot_de_passe email
    dia araho ny fanoroana.

  8. Raha adino ny tenimiafina?
    Raha adino ny tenimiafina fampiasanao ao amin'ny chat dia azonao atao ny mangataka azy toa izao. Soraty ao amin'ny toerana fanoratana ny hoe
    /msg NICKSERV SENDPASS solonanarana
    fa halefa any amin'ny adiresinao ny tenimiafina.

  9. Ary ahoana ny fanovana tenimiafina?
    Raha efa voatahiry ny solonanarana dia azonao atao (sy tokony hatao tsindraindray) ny manova tenimiafina 
    /MSG NICKSERV SET PASSWORD nouveau_mot_de_passe

  10. Ary raha tsy tiako hotehirizina intsony ny solonanarana?
    Raha toa ka tianao ho voafafa ao amin'ny tahiry ny solonanarana nampiasainao dia ampiasao ity.
    /MSG NICKSERV drop
    Marihana fa rehefa tsy mampiasa ny karajia ao anatin'ny 30 andro ianao dia voafafa ho azy ao amin'ny karajia ny solonanaranao.